
"Hery fanoitra ho amin'ny fampandrosoana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa". Io teny filamatra io no tena antom-pisian'ity Oniversite ao Soavinandriana. Manaraka tanteraka ny rafitra LMD ity Oniversite ity, izay ahitana zotram-pianarana 7 : ny angovo azo avaozina, ny rano sy tontolo iainana, ny fanodinana ny vokatry nyfambolena sy fiompiana, ny fitantanana ny tontolo iainana, ny fanomezan-danja ireo harena araboajanahary, ny harena ankibon'ny tany, ary ny serasera ho amin'ny
fampandrosoana. Hita amin'izany fa avo lenta ny fampianarana izay rantovin 'ireo mpianatra ho teknisiana ambony ao amin'ny Oniversiten'I Soavinandriana.
Amin'ny ankapobeny dia sampam-pianarana misahana ny fanitarana sy fanatsarana ary fanapariahana ny teknika hitrandrahana ireo harena voajanahary no misy ao. Ankoatra ny trano fianarana izay efa natao tamin'ny 2015, tetsy Antranoroa, dia tsy mitsaha-miroso ho amin'ny fampandrosoana ity Oniversite ity. Trano fianarana vaovao iray indray, fotodrafitr'asa voalohany eo amin'ny "campus" no notokanana ny 30 jona teo. 21 m ny halavany, ary 7m ny sakany, mahazaka mpianatra miisa 40 isaky ny efitrano fianarana izy ity. Nanolotra solosaina miisa 5 ny ministeran'ny Fampianarana ambony sy Fikarohana ara-tsiansa, ary vola 500 .000 Ariary ho an'ny mpianatra avy amin'ny minisitra Monique Rasoazananera.