Quantcast
Channel: Université d'Antananarivo
Viewing all articles
Browse latest Browse all 1319

Fiadidian'ny Oniversiten'Antananarivo - Korana fiarahabana nahatratra ny taona 2018

$
0
0


Nifamotaona ny fianakaviam-ben'ny Oniversiten'Antananarivony 26 janoary2018, ho fifampiarahabana nahatratrarana ny taona 2018. Teny amin'ny Espace Myrah Ambatomaro ny lanonana no nokarakaraina. Nandritra ny lahateny nataon'ny Filohan'ny Anjerimanontolo, Pr Panja Ramanoelina no nanentanany ho amin'ny fampandrosoana ho amin'ny tsara hatrany.


Raha atao jery todika ny taona 2017 dia nisy ny famoahana ny andiany voalohany teo amin'ny mari-pahaizana “Licence” avy amin'ny Institut d'Enseignement Supérieur d'Antsirabe ao Vakinankaratra. Toy ny fanao isan-taona, notanterahina koa ny “Salon de l'étudiant”, hetsika izay natokana ho an'ny tanora izay vao afaka Bakalorea sy ho fanehoana ireo zava-baovao entin'ny asa fikarohana. Notontosaina tamin'ny novambra 2017 kosa ny “Doctoriales”andiany fahatelo, tany Soavinandriana Itasy. Teo koa ny “Forum de la Recherche” natao tany Nosy-Be Hell-Ville, Fianarantsoa, ary teto Antananarivo.


Mandroso ho amin'ny tsaratsara kokoa hatrany ny Oniversiten'Antananarivo, ka tamin'ny taon-dasa no notanterahina ny hetsika mitondra ny lohateny : “Ma thèse en 180 secondes”, izay niarahana tamin'ny Coopération française.


Ankoatr'izay, tsy maintsy vitaina amin'ity taona ity ny fandrosoana ho amin'ny“accréditation”, ka tafiditra amin'izay daholo ny momba ny “employabilité” sy ny “qualité”, araka ny voalazan'ny Filohan'ny Anjerimanontolo.


Fantatra ankehitriny fa tena malaza eran-tany ny Oniversiten'Antananarivo eo amin'ny fitondrana avo ny kolontsaina sinoa. Nahazomari-pankasitrahana miisa roa be izao ny Institut Confucius. Marihana fa Madagasikara ireryihany no nahazoan'io loka io tamin'ny firenena 13 tety Afrika.


Eo amin'ny lafiny fanatanjahan-tena sy koltoraly izay ihany.Vita soa aman-tsara ny“ Interfacs”, ny “Coupe du Président”, ary ny “Universiades”,izaynotanterahina tany Mahajanga ary nahazoan'ny Oniversiten'Antananarivo laharana voalohany. Ampahatsiahivina fa any Antsiranana no hanaovana ny andiany manaraka.


Eo amin'ny lafiny fitantanana indray, nitadiavana fandaminana hatrany ny fandoavana ny karaman'ny mpandraharaha,ka tsy tapaka na tara izany tamin'ny taona lasa teo. Ara-tsosialy kosa, tanteraka ny fankalazana ny“Mandela Day”, hetsika izay niarahana tamin'ny Ambasadin'ny Afrika Atsimo sy ny Groupe AXIAN, nifanome tànana ka nahafahanana nanganany CSBII ho an'ny mponina manodidina an'Ankatso. Hotanterahina ny 9 na ny 16 febroary izao moa ny fitokanana io tobim-pahasalamana io.


Tamin'ny taona 2017 koa no nahitana ny ezaky ny “établissements” tsirairay eo amin'ny fandraisana ny mari-boninahitra ho an'ny mpampianatra sy mpandraharaha. Ka singanina manokana amin'izany ny Fakiolten'nyTeny aman-tsoratra sy Siansa MahaOlona, izay nahazo mari-boninahitra maro an'isaindrindra. Ary ho ezaka manokana hoan'ny Fiadidian'ny Oniversiten'Antananarivo ny mba ahazoan'ny mpandraharaha ao aminy ny mari-boninahitra amin'ity taona 2018 ity.


Fisaorana mitafotafo no nasetrin'Andriamatoa Filohan'ny Oniversiten'Antananarivo noho ny solom-bodiakoho izaynatolotra ho azy ny 4 janoary lasa teo, tao amin'ny Kianja mitafon'ny Oniversiten'Antananarivo. Hoy hatrany izy : “Ho tahaka ny laingom-boaloboka lohataona ireny harenanareo ireny, handratsanana vao misandrahaka”.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 1319

Trending Articles