Notokanana ny zoma 19 janoary 2018 ny tsena ao amin'ny fokontany Antsahamamy, ao anatin'ny boriborintany faharoa. Miisa 59 ireo trano fivarotana izay tafiditra ao anatin'ny faritry Oniversiten'Antananarivo izay nomena maimaimpoana an'ireto mpivarotra ka nahazoana nanangana izao foto-drafitr'asa manara-penitra izao.
Tonga nitokana izany teny an-toerana ny Filohan'ny Oniversiten'Antananarivo, Pr Panja Ramanoelina sy mpiara-miasa aminy, ary ny Mpanolo-tsaina ambony ny Ben'ny tanana an'Antananarivo Renivohitra, Rolland Ravatomanga sy ny delegasiona avy ao amin'ny boriborintany faharoa.
Izany no vita dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Oniversite sy ny Kaominina ary ireo fikambanan'ny mpivarotra sy mponina manodidina. Nambarany ny Filohan'ny Oniversite tamin'ny lahan-teny izay nataony ihany koa ny hitokanana tsy ho ela ny CSBII eo an-toerana ihany ho tohin'ny fiaraha-miasan'izy ireo.