
Fiomanana amin'ny fanadiovana faobe
Raha saika ny 10 desambra 2017 iny no andro natokana ho an'ny fanadiovana faobe dia nahemotra ny 10 janoary amin'ity taona ity indray ny fanatontosana izany. Voalazan'ny fitondram-panjakana moa fa andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ity androany ity. Andro iray natokana sy hisorohana ny fihanaky ny valan'aretina nisy sy izay mety ho avy mantsy ity fanadiovana faobe ity. “Mpiara-belona mifampitsinjo, ny fanadiovana no vaindohan-draharaha”, io no lohahevitra napetraky ny fitondrana malagasy ho an'ity 2018 ity.
Voakasiky ity hetsika ity avokoa ny rantsa-mangaika rehetra eto Madagasikara. Raha ny teto amin'ny Oniversiten'Antananarivo no resahina dia samy nanadio ny biraony sy ny manodidina azy avokoa ny tsirairay. Eo ihany koa ireo efa voatendry hanao ny fanatsarana ny any ivelany toy ny zaridaina, ny parking, sy ny maro hafa. Marihina moa fa efa nambaran' ny fitondrana malagasy ny 27 novambra tamin'ny taon-dasainy ny famaranana ny ady tamin'ny valan'aretina pesta areti-tratra an-tanan-dehibe. Nizotra antsakany sy andavany ny fanadiovana teto Ambohitsaina ka vonona ny hiatrika taom-piasana sy taom-pianarana ao anatin'ny fahadiovana ny tsirairay.
Fanomezana toromarika ireo mpandraharaha sy mpanadio