
Voahosotra ho tompon-daka tamin'ny lalao universiades 2017 ny Oniversiten'Antananarivo, ka nahazo medaly volamena miisa 13, volafotsy 14, ary alimo 8. Voalohany teo amin'ny taranja « Hand Ball », baolina Kitra, ary faharoa tamin'ny basikety izy. Notontosaina ny 16 ka hatramin'ny 24 septambra tamin'ny taon-dasa tany Mahajanga ity lalao ity.
Norombahin'i Lahatra Andriamamonjy Miora, mpianatra avy ao amin'ny fakiolte DEGS ny medaly volamena tamin'ny taranja “tennis” sokajy lahy. Teo amin'ny “Lawn tennis” indray dia Randriamampianina Augustin, mpianatra avy ao amin'ny Fakiolten',ny Teny aman-tSoratra sy Siansa maha Olona no nahazo ny medaly volamena sokajy lahy ihany. Raha ny teo amin'ny sehatry ny “double mixte” indray kosa, dia fandresena no azon'ity farany sy Raolimanana Jenny, medaly volamena mazava ho azy. Randriarifidy Mickael sy Rakotoarisoa Hasina Naminintsoa no nitondra avo ny voninahitry ny Oniversite tamin'ny taranja Tsipy kanetibe, olon-droa miaraka na “doublette”, medaly volamena ary, ho an'ny olo telo miaraka na “triplette” kosa, Raoloson Nahitantsoa Nancy, Randriarifidy Mickael ary Rakotoarisoa Hasina Nambinintsoa. Hita tokoa fa tena nanao izay fara heriny ireo solotenan'ny Oniversiten'Antananarivo tamin'ity Universiades andiany fahatelo ity. tamin'ny taranja athletisma dia i Andrianadrianina Santatriniaina avy ao amin'ny ENS no nandresy tamin'ny hazakazaka 100 metatra, medaly volamena, ary Botovolasoa Mickahéel sokay lahy no nahazo ny medaly volafotsy.
Teo amin'ny taranja “saut” kosa dia nahitana an-dRamananjatovo José Mariolla avy ao amin'ny ENS ny laharana voalohany, ka nahazoany ny medaly volamena. Ankoatra izay dia fantatra fa Andrianandrianina Santatra avy ao amin'ny ENS no kintana teo amin'ny taranja tsipy fonjam-by na “lancer”, ka narahin-dRabezandry Nissaline avy ao amin'ny Fakioten'ny Siansa tamin'ny medaly volafotsy izy. Mbola i Botovolasoa Mickahéel hatrany no nahazo ny medaly volamena tamin'ity taranja ity, sokajy lahy. Teo amin'ny Taekwondo sy Karate kosa indray dia norombahin'i Andrianarivo Rajaonarison Hoby avy ao amn'ny ENS ny medaly volamena, sokajy lahy izany.
Tsy nikely soroka ireo tompon'andraikitry ny fanatanjahantena tety amin'Anjerimanontolo fa nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin'ny fikotranana sy ny fikarakarana rehetra, anisan'izany ny Tale DOSC na Direction de l'Office des Sports et de la Cuture, Randrianjatovo Helina, sy ny mpiara-miasa aminy akaiky Rajoelison Eric ary Andrianirilala Dera teo amin'ny lafiny kolontsaina ihany koa.
Araka izany dia feno voninahitra ny Oniversiten'Antananarivo, ary nisaotra sy nankasitraka an'ireto kintan'ny fanatanjahantena ireto ny filoha Panja Ramanoelina nandritra ny lahateniny tamin'ny 21 desambra 2017, lanonana famaranana ny taona tety Ambohitsaina.